Best of Duo2 ao amin’ny ESSCA Antanimena

Best of Duo2
Ao amin’ny CCESCA Antanimena ary ny fotoana ny Zoma 3 Febroary manomboka amin’ny 7 ora hariva

Efa mamofompofona Fetin’ny mpifankatia sahady ny andro…

Raha mbola tsy ao anatiny tsara ianao, ny fiangolangolan’ny feon’ireo mpanakanto nampiraisina an-tsehatra mandritry ny “Best Of Duo” dia ampy hampatsiahy anao ny fisiany.

Seho izay ahitana an’i Rija Ramanantoanina, Lilie, Mahery, Bodo, Inah, ary Nini (Kiaka), fanta-daza amin’ny hiram-pitiavana sy ny feo kanton’izy ireo.

Raha te hamoaka ny ao am’ponao ianao, ento ny silam-panahinao dia asehoy azy an-kira ny fitiavanao…

Ho an’ireo izay mbola tsy manana silam-panahy, mety ao no ahitanao azy, eo am-pikalokaloana ireo hira mamy nahafantarana an’ireo mpanakanto ireo hatramin’izay.

Ao amin’ny ESSCA Antanimena ary ny fotoana ny Zoma 3 Febroary manomboka amin’ny 7 ora hariva

You must be logged in to post a comment Login